Efa misokatra ny tranokala vaovaon’ny FKMP : www.fkmp.org
Ny Birao sy ny Komity dia faly mandray anao eto amin’ity tranokala ity izay natao hampahafantarana ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France (FKMP).
Ho hitanao ato :
ny zava-kendren’ny FKMP sy ny tantarany ;
ny rafitra ijoroany ;
ny asa fikatrohana andraisan’ny kristiana anjara ;
ny fandalinam-pinoana sy fiomanana amin’ireo Sakramenta ;
ny vaovaom-piangonana sy filazana samihafa ;
ny tahiry mikasika ny fiainam-piangonana (Isan-tokantrano) ;
ny fifandraisana amin’ireo tranokala tsara ho fantatra.
|